Tambajotra mpangalatra tany

2 nidoboka am-ponja, 10 miandry fitsarana


  • Alatsinainy 03 Martsa 2025

Ravan’ny Bianco ny tambajotra mpanao hosoka sy mpangalatra tany nahitana tompon’andraikitra

teny anivon’ny boriborintany teto an-dRenivohitra, notaire, injeniera mpandrefy tany, agence immobilière, ary mpanelanelana samihafa. Tany stratejika no tena lasibatr’izy ireo amin’ny alalan’ny famoronana sy fanomezana anarana sandoka ny taratasy fifampivarotana lazaina fa natao tany amin’ny 30 taona lasa. Rehefa vita ny fanamboarana hosoka dia ampidirina amin’ny rejisitra any amin’ny kaominina iray akaikin’ny renivohitra ireo antontan-taratasy ireo. Aorian’izay dia afindra amin’ny anaran’ny olona sandoka amin’ny alalan’ny fifanarahana ara-bola hatrany amin’ny 10 tapitrisa Ariary. Avy eo, fanofana amin’ny endrika « bail emphytéotique » mitentina mihoatra ny 2 miliara ariary no ataon’ny masoivoho ara-barotra amin’ny tany miaraka amin’ny mpampiasa vola vahiny. Farany, dia atao sonia amin’ny « notaire » ilay fifanarahana mba hanome endrika ara-dalàna azy. Olona 12 no voarohirohy, natolotra ny fampanoavana tao amin’ny Pôle Anti-Corruption (PAC) tamin’ny 27 febroary 2025 noho ny fanararaotam-pahefana, fanaovana hosoka sy fampiasana taratasy hosoka, ary koa noho ny kolikoly natao sy noraisina. Olona 2 nidoboka am-ponja vonjimaika dia ilay nampiasa anarana sandoka sy ilay mpivarotra tany. Nahazo fahafahana vonjimaika miandry ny fitsarana azy ireo hafa. Nogiazana tamin’ny 20 janoary 2025 ilay trano resahina sy fanesorana fananana nataon’ny PAC (Pôle Anti-Corruption) telo andro taty aoriana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT