Actualités

TAMBAJOTRA MPAMAKY FIANGONANA Voasambotra ireo nandroba ny EKAR tao Ampany


  • Alarobia 06 Aogositra 2014

Nisy namaky ny fiangonana katolika tao Ampany Ambositra ny alin’ny zoma 01 Aogositra teo.

Very tamin’izany ireo fitaovam-piangonana maro toy ny “synthétiseur”, gropy fampandehanana herinaratra sy fitaovana vitsivitsy. Vokatry ny fanomezam-baovao nataon’ny olona tsara sitrapo tamin’ny polisy dia tratra avokoa ireo nangalatra izany. Efatra mianadahy izay nahitana tovovavy iray no voasambotra, mbola misy iray karohina amin’izao fotoana izao. Tratra teny amin’izy ireo avokoa ireo fitaovana very tao amin’ity fiangonana katolika Ampany Ambositra ity. Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela izy ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT