Tambajotra Facebook

Tratry ny olana teknika goavana omaly, betsaka no nikorapaka !


  • Alarobia 06 Martsa 2024

Gaga sy talanjona ny mpikirakira ny tambajotran-tserasera Facebook

ny andron’ny omaly, indrindra fa ny takariva noho ny fahatapahan’ity tambaotra ara-tsosialy isan’ny be mpampiasa indrindra maneran-tany ity. Betsaka no nieritreritra fa nisy nanao « piraty » na nisy niditra ny kaontiny, ka na namerimberina niditra aza tsy tafiditra nandritra ny ora iray teo omaly takariva nanodidina ny tamin’ny 6ora, raha ny teto amintsika, ary betsaka aza no mbola nanana olana taorian’izay. Mbola betsaka aza ireo "option" tsy nandeha, toy ny "Photo de couverture", mbola tsy nipoitra ny "historique de recherche" sy ny maro samihafa omaly takariva. Voakasika ihany koa ny Instagram sy ny Messenger. Fahatapahana nanerana izao tontolo izao na « panne mondiale » no nitranga. Tsy tena nanome fanazavana mikasika io ny orinasa Meta an’ilay mpanefoefo Amerikanina Marc Zuckerberg, saingy nanaiky fa tena nisy ny olona ary efa miasa hamahana izany, tamin’ny alalan’ny mpitondra teniny Andy Stone. Misy kosa no milaza fa tafiditry ny « pirates » na « hackers » ny serveur na ny fitaovana lehibe mibaiko sy mandritra ity tambajotra ity. Ny oktobra 2021 no nisy tranga goavana nitovitovy tamin’io, raha tsiahivina. Ho an’ny eto Madagasikara, ny antontan’isan’ny orinasa Kepios tao anatin’ny tatitry « Digital Report 2024 », azo rehetra nojerena nanomboka ny 23 febroary lasa teo, dia nitatitra fa 3,8 tapitrisa eo ny olona mikirakira sy mampiasa facebook. Nisy fiakarany 28,8% na 850 000 eo ireo mpampiasa vaovao ity tambajotra ity tao anatin’ny herintaona teo anelalanelan’ny fiandohan’ny 2023 sy 2024. Ny 60,2% amin’ny mpikirakira ny tambajotra internet dia ny mpampiasa tambajotra ara-tsosialy. Zary manomboka tsy misaraka amin’ny andavanandron’ny mponina indrindra fa ny an-tanan-dehibe ity tambajotran-tserasera ity, izay ampiasaina amin’ny : serasera, dokam-barotra, hanaraham-baovao,… Betsaka ihany koa anefa ny zavatra tsy azo antoka amin’izy io ka ilana fitandremana be satria misy ny mampiasa azy ho saham-pisolokiana, hanaovana asa ratsy,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT