Nanaitra ny olona ity tranga tao Nosy Be omaly ity. Teny ambony Bajaj hamonjy toeram-piasany i Jaofara Kamisy Severin, Talen’ny « Tsiko Meva Ylang FM 91 » ao Nosy Be, radio an’i Jospeh Yoland,
Senatera teo aloha, no hitan’ny mpitandro filaminana tsy nanao aro-tava rehefa nandalo ny sakana. Nanazava i Jaofara Kamisy Severin fa « handeha hamonjy fahoriana » izy ary « handalo any an-toerampiasa haka ny aro-tava» no voasakana io omaly io tokony ho tamin’ny 9ora maraina. Rehefa izay dia tsy maintsy nanao asa ho amin’ny tombontsoan’ny besinimaro na TIG (Travaux d’Intérêt Général). « Nanatanteraka izany aho. Nandray kifafa ary namafa lalana. Nitaky ny hanomezana ahy aro-tanana aho mialoha ny handraofana ny fako hisorohana ny aretina azo avy amin’ny loto ». Nentina tany amin’ny toby ary nampidirina « violon » avy hatrany ity talen’ny radio « Tsiko Meva Ylang » taorian’izay. « Ny fitakiako aro-tanana mialoha ny handraofana fako izay ve no nampidirana ahy « violon » sa anton-javatra hafa ? », hoy i Jaofara Kamisy Severin. « Nisy niantso ahy nampahafantatra fa voatana ao amin’ny « violon » ny mpitantana ny radio Tsiko Meva Ylang, ka vao hanadihady aho », hoy i Jospeh Yoland raha nanontaniana. Voatazona tao nandritra ny adim-pamantaranandro telo teo vao navoaka omaly teo amin’ny fiandohan’ny tolakandro.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.