Napetraka tamin’ny toerany omaly ny talen’ny SAMVA vaovao Rakotoarivony William, taorian’ny nanalan’ny fitondram-panjakana an-dRatolojanahary Damy Jean Badpiste, tale jeneralin’ny SAMVA teo aloha. Mazava ny antom-pijoroan’ny tale vaovao, raha araka ny tafa fohy nifanaovany tamin’ny mpanao gazety omaly teny Ampasampito.
Hanala sy hamongotra ny fako rehetra eto an-drenivohitra ny tenany sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky izay tsy miankina amin’ny vola eo am-pelatanana na ny fitaovana misy fa manatanteraka asa aloha. Raha vantany vao voaangona eny amin’ny daban-jaoridira ny fako dia efa anjaran’ny SAMVA izay no manala sy mandroaka azy noho izany tsy maintsy hatao maika ny asa hahafahana miady sy mamongotra ny aretina pesta, hoy izy. Somary nanentana kely ny mpiara-belona izy mba samy hanadio ny faritra misy azy hisorohana ny fitomboan’ny olona mety ho faty
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.