Tonga nitsidika sy nijery ny foiben’ny orinasa Mpitsabo Malagasy FITRAMA etsy amin’ny 67 ha ny Sabotsy lasa teo ny talen’ny fitarainana eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika Rakotomanana Richardson.
Nandritra izany no nijereny manokana ny fomba fandraisana ny marary, ny efitrano fanorana, ny ekipa mpanara-maso ny fivoaran’ny fahasalaman’ireo marary, ny fanaovana ny fanafody ho ao anaty tavoahangy , ny fitaovana rehetra hampiasaina hikarakara ny marary ary farany izay tsy kely akory dia ny antontan-taratasin’ireo marary efa noraisin’ity orinasa iray ity hatramin’izay. Niaiky ity talen’ny fitarainana eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika ity nandritra izany fa mila ezaka goavana ny fanandratana ny vita Malagasy, indrindra taorian’ny antso avo nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Niara-nanaiky ihany koa ny roa tonta fa tena mahay ny Malagasy ary mahavita zavatra tsara ka tokony hiara-hientana hifanome tanana hiaro ireo zava-maniry manana ny maha-izy azy mba ho lovain’ny taranaka faramandimby. Niezaka nampianatra ny FITRAMA ny fomba ho enti-mampandroso ny firenena araka izany ny talen’ity talen’ny fitarainana eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika ity izay tsy natao ho an’ireo olom-boafidy sy voatendry ihany fa ho an’ny olon-drehetra mihitsy. Notsindriany manokana moa fa tena nahavita ny orinasa Mpitsabo Malagasy FITRAMA tamin’ny fanandratana ny vita Malagasy amin’ny alalan’ny fitsaboana nentim-paharazana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.