Talen-tsekoly ao Antsondrika

Nanolana ny mpianany 14 taona


  • Alatsinainy 08 Aprily 2024

Mpampianatra no sady talen-tsekoly ao Antsondrika, fokontany Marotongo,

kaominina Ankorofotsy, distrikan'I Miandrivazo no nahavita nanolana ny mpianany 14 taona, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Rehefa fantany fa bevohoka ity mpianany dia notereny hanala izany. Raha vao nahazo angom-baovao ny zandary ao amin’ny borigady Ambatolahy, avy dia nirotsaka nanao fanadihadiana. Fantatra tamin'izany fa mpianatra hiatrika fanadinana CEPE ity zaza 14 taona naolan'ingahy tale ity. Efa notanana vonjimaika any am-ponja moa izy ary miandry ny fotoam-pitsarana hanatanterahana ny famosirana azy, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT