Namoa-doza teny amin’ny làlan’i Tsarasaotra Ivato ny Tale Jeneralin’ny serasera eo anivon’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina Atoa Fanahimanana
Tiaray ny sabotsy alina teo tokony ho tamin’ny 8ora sy sasany, ka nitarika tamin’ny fametraham-pialany tamin’ny andraikitra notanany. Efa neken’ny minisitra ny fialany. Fiaram-panjakana no nentiny nandritra io fotoana io, ka nandona miaramila iray. Tsy nijanonana anefa ny tenany, fa nandositra ka nifanenjehan’ny mpitandro filaminana, ary tratra soa aman-tsara. Rehefa tratra ity tompon’andraitrika ambony teo aloha ity dia hita fa mamo izy nitondra fiara satria avy nifety ny mpiara-miasa fa tafajanona amin’ny toerany ny Minisitry ny serasera Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy, raha ny vaovao azo. Niaiky fa namoa-doza izy ary nanao fanamarihana fa tsy misy idiran-dRtoa Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina mihitsy aloha io raharaha io, hadisoana nataon’ny vatan-tenako, hoy ity Tale Jeneraly nametra-pialana ity.
FANDIKAN-DALANA TELO SOSONA
Fandikan-dalàna telo sosona raha dinihina no nataon’ity Tale Jeneraly izay marihina fa mpitsara izany hoe mpahay lalàna ity. Teo ny fitondrana fiara anaty fahamamoana (conduite en état d'ivresse) izay melohin'ny lalàna, ny fandonana sy fandratrana olona sy ny fitsoahana rehefa avy niteraka lozam-pifamoivoizana (délit de fuité),… Natao tsara ambina, ary navela niantso an-telefaonina izay olona tokony nantsoiny ity Tompon’andraikitra ambony nandika lalàna ity. Andrasana ny ho tohin’io raharaha io. Tsiahivina fa nampindrana fiara marika « Audi » natao « tête de cortège » no isan’ny nanesorana ny Tale Jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana teo aloha, ary isan’ny nikororoka an’izany ny teo anivon’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina. Tamin’ity kosa dia tompon’andraikitra tao amin’io departemantam-panjakana io no namoa-doza tamina fiaram-panjakana, saingy niezaka nandositra fa tratra, satria sendra ny nahay azy. Ny zava-dehibe sy mendri-piderana na izany aza, dia ny fametraham-pialana, izay tokony halain’ireo manondrana sy tsy mahomby tahaka. Andrasana izay ho tohiny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.