Tale Jeneralin’ny Jirama

« Tsy misy delestazy intsony


  • Alarobia 17 Jona 2026

fa olan’ny fahanteran’ny fotodrafitrasa »

Tena fanavaozana ao anatin’ny fanarenana ny Jirama ny fanafainganana ny fampandehanana an’ireo rafitra na fepetra isan-karazany ahafahana manatanteraka ny fanarenana, toy ny fametrahana ny angovo mandeha amin’ny herin’ny masoandro, raha ny nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Jirama, Jeneraly Rasolomanana Hajatiana. Ny 2025, ohatra raha ny nambarany, dia ny volana martsa dia efa niaina delestazy tena mafy, fa amin’izao tsy dia misy an’izay, fa fahatapahana noho ny fahanteran’ny fotodrafitrasa. Tsy midika fa tsy misy olana, fa mba mihena sy mihatsara noho ny tena olana. Na izany aza, noho ny haintany, dia mihena ny tosika any Andekalelaka, izay manery hampiasa milina termika izay mandany hatrany amin’ny 6 miliara Ar, ka tsy maintsy miditra amin’ny fandatsahana orana, rehefa mba mitombony rano, dia voafehy kokoa ny famokarana. 60 tapitrisa ariary eo ny vola lany amin'ny hetsika fandatsahana orana amina toerana iray. Io no antony mahatonga ny jirama miaramiasa amin'ny meteo mandatsaka orana amin'ireo toerana misy ny toby famokarana herinaratra mandeha amin'ny rano satria tena lavitra ny elanelana sy ny mason-karena eo amin’ny fandatsahana orana sy ny fampiasana solika. Mikasika ny rano, betsaka ireo fantsona mipoaka noho ny fiakaran’ny tosika, ka anisan’ny ifotoran’ny asa ny fanamafisana ny fatson-drano. Hatreto, tsy afaka miala amin’ny mpamatsy vola hanampy amin’ny fanarenana. Tsapa sy tsikaritra tato ho ato ny fiverenan’ny fahatapahana maharitra ora iray na mahery ka irariana mba tsy hiitatra satria vao fanombohan’ny lohantaona isika izao sanatria na « delestazy » na « fahatapahana » na « fahanteran’ny fotodrafitrasa » no ilazana an’io dia tsy mahalala afatsy herinaratra tapaka ny olom-pirenena. Irariana hatrany ihany koa ny hanamoran’ny Fanjakana hatrany an’ireny tetikasa mikasika ny angovo azo havaozina ireny, indrindra fa ny fanamorana ny fahafahan’ny isan-tokantrano angovo mahaleotena tsikelikely izay mba mety hanamaivana ihany koa ny vesatry ny Jirama izay nanapa-kevitra rahateo ny hampiato ny fandraisana fangatahana fampidirana herinaratra vaovao.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fisorohana ny hosoka ara-ketra
  • Alarobia 17 Jona 2026

Tafapetraka ny RCBE

  • Fahaherin-taonan’ny voina
  • Alarobia 17 Jona 2026

teny Ambohimalaza

  • Fahafatesan’ny depiote Rabenirina Jean Jacques
  • Alarobia 17 Jona 2026

Voaheloka 18 volana

  • Orinasa SECREN
  • Alarobia 17 Jona 2026

Voatendry ho Tale jeneraly i Félicien Milison

  • FANADINANA CEPE
  • Alarobia 17 Jona 2026

Ny taranja kajy no tena nampitaraina ny mpiadina

  • VAHOAKA AO BONGOLAVA
  • Talata 16 Jona 2026

Mbola miaina delestazy ora 6 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT