Niparitaka tao amin’ny tambajotran-tserasera nanomboka ny alatsinainy teo ny karazana ampamoaka miampanga sy mamelively ny Tale Jeneralin’ny Jirama Atoa Vonjy Andriamanga.
Toa mifandraika amin’ny resaka nolazain’Atoa Rabetsara Lita tamin’ny fandaharana nataony tao amina fahitalavitra iray ny 31 aogositra lasa teo. Toa fiainana manokan’ny Tale Jeneraly kanefa mifandraika amin’ny fitantanana ny Jirama no niparitaka, izay iandrasana fanazavana ofisialy na fandisoana avy aminy. Nohamafisin’io resaka niparitaka arahina sary sy taratasim-panjakana (Ordre de mission) ho porofo io, fa mifandray akaiky ingahy Tale jeneraly sy ny Tale kabinetrany, izay toerana na « poste » noforonina fa tsy ao anatin’ny sata sy rafi-pitantanan’ny JIRAMA. Voalaza fa miray birao ny Tale Jeneraly sy io Tale Kabinetrany io, ary matetika mandeha miara manao « tournée », ka ny volan’ny JIRAMA no hanaovan’izy ireo fiainana, hoy ity resaka niparitaka ity. Voalaza fa nahazo baiko avy amin’ny Fiadidian’ny Repoblika hanala io Tale Kabinetra io ny Tale Jeneraly. Nosoniaviny ny 03 septambra ny fanesorana an'ilay vehivavy kanefa ny 4 sy 5 septambra dia mbola nanasoniavany « ordre de mission » na iraka mankany Fianarantsoa miaraka aminy indray, ary mbola nampitondrainy soamantsara ny anjara asa maha Tale Kabinetra ihany, raha ny taratasy hita miparitaka. Namoahana vola tao amin'ny JIRAMA ilay « ordre de mission » kanefa koa tereny ny talem-paritry ny JIRAMA Fianarantsoa handoa ny lany tany an-toerana. Efa misandoka andraikitra izy zany io nandeha tany Fianarantsoa io nefa hiantohan'ny JIRAMA, hoy ity ampamoaka ity. Tao amin’ny Zomatel Fianarantsoa no voalaza fa nivantanan’izy ireo. Tena taratasim-panjakana tokoa ve ireo nivoaka sa sandoka hoenti-mamely ilay Tale Jeneraly ? Resaka fiainana manokana izy ity, saingy olom-panjakana ambony mitantana orinasa iainkinan’ny fiainam-bahoaka no voatonontonona. Araka ny efa natsipy tetsy ambony, dia andrasana ny mety ho fanazavana sy setriny avy aminy eo anatrehan’io karazana ampamoaka goavana io. Na teo aza ny ampamoaka nataon-dRabetsara Lita ny 31 aogositra nilaza fa 1200 miliara ariary ny fatiantoky ny Jirama, dia tsy nikitika velively ny Tale Jeneraly ny Filoha fa voatazona amin’ny toerany izy. Hanova zavatra ve ity resa-be sy ampamoaka vaovao ity ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.