Tale jeneralin’ny JIRAMA

Sambokely anaty tafio-drivotra mahery vaika


  • Alatsinainy 22 Jolay 2024

Ny marainan’ny zoma teo nanodidina ny tamin’ny 9 ora tany ho any no nilaza ny orinasa JIRAMA

na Jiro sy rano malagasy fa ao anatin'ny asa fanamboarana ny fantsona lehibe DN 600 eny Mandroseza tamin'io fotoana io ny ekipan'ity orinasa ity ka izay no mahatonga ny fahatapahan-drano.
NY OMALY TSY NIOVA
Faritra maro teto Antananarivo sy ny manodidina, noho izany, no voalaza fa ho tapaka ny famatsiana ny rano ary mety haharitra hatramin'ny 4 ora ny fahatapahana. Nandrasana ihany nefa, efa ho adin’ny 10 mahery taty aoriana. Aiza ihany aza ity rano? Tsy hita fa dia tao indray izany ireo niharitra hatramin’ny 12 ora alina, ho an’ireo manana famatsian-drano ao an-tokantrano. Ho an’ireo manovo rano eny amin’ny paompim-panjakàna moa dia efa filaharana izay tsy izy toy ny mahazatra ny teny amin’izy ireny. Tsy ny mpantsaka loatra no tena nameno ny filaharana fa ireo zerikanina mavo na «bidon jaune». Ny teny Faravohitra, nihetsika indray ireo mponina ary nandoro kodiarana vokatr’izay tsy fisian-drano naharitra loatra izay. Ny marainan’ny sabotsy teo, tokony ho efa tany amin’ny 9 ora tany indray ihany koa, vao nahenoana fiverenan’izay famatsian-drano izay teny amin’ireo boriboritany voakasika toy ny voalohany sy faha 3 ary faha 5. Omaly alahady, mbola niverina indray ny fahatapahan-jiro ho ana faritra maro eto Antananarivo sy ny manodidina, ny rano ihany koa torak’izany.
SAROTRA NY RAHARAHA
Misy amin’ireo mpandinika moa no mihevitra fa te hitondra fanavaozana ho an’ity orinasa JIRAMA ity ihany ny tale jeneraly vaovao, Ron Weiss, izay tsiahivina fa teratany israelianina, saingy tsy ferana ihany koa anefa ny fisian’ireo mpiasan’ity orinasa ity, indrindra, ireo mpitantana sasany mety hahatsiaro ho very fihinanana na tombontsoa manokana ao anatin’izany ka mety alaina amin’izay fomba fiasa vaovao izay. Etsy ankilan’izay, mbola mafy dia mafy ny hanarina ny fitaovana, ny hiala eo ambany ziogan’ireo kaompanian-tsolika mpamatsy ny jirama ; ireo orinasa tsy mainkina mpamokatra herinaratra, azo antoka fa tsy hanaiky mora foana ho very fihinanana. Tahaka ny sambokely anaty ranomasina tratry ny tafio-drivotra mahery sy ny alon-drano no fahitana ity DG vaovaon’ny Jirala ity ; raha tsy hoe hanampy sy hanohana mafy azy angaha ny fitondram-panjakana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT