Voatendry nandritra ny filankevitry ny Minisitra ny alarobia 02 aogositra teo ny Tale Jeneralin’ny CNaPS vaovao, dia Atoa Rahaingonjatovo Vimbina.
Tsy olona avy ao anatin’ny CNaPS fa avy aty ivelany. Tale Mpanatanteraka teo anivon’ny orinasan-tserasera an-tariby iray teo aloha ny tenany. Olona akaiky ny fitondrana mazava ho azy matoa voatendry, ka ny vadiny dia misy milaza fa mpanolontsaina any amin’ny Fiadidian’ny Repoblika, niara-nianatra tamin’Atoa Louis Ellys Cédric izay efa tompon’andraikitra teo anivon’ny CNaPS sady vadin’ny Minisitry ny toekarena sy ny vola,… Raha hiverenana, dia nesorina ny Tale Jeneraly teo aloha Atoa Arizaka Rabekoto Raoul vao tonga teo ny Fitondrana Rajoelina. Nenjehina ka nitsoaka any ivelany. Napetraka ho Tale Jeneraly mpisolo toerana Rtoa Joslina Tsaboto, ary notendrena avy eo Atoa Mamy Rakotondraibe. Nisy ny olana ara-pitantanana, ka herintaona sy 4 volana no tsy nanana Tale Jeneraly rehefa naiditra am-ponja vonjimaika ny Tale Jeneraly Mamy Rakotondraibe ny 15 martsa 2022, ka Rtoa Joslina Tsaboto indray no notendrena ho Tale Jeneralympisolo toerana saingy nogadraina ny 22 jona, ary navoaka ny 07 jolay. Io voatendry io indray ny Tale Jeneraly vaovao Atoa Rahaingonjatovo Vimbina, izay betsaka ny zavatra mety miandry azy momba ny fandaminana ny CNaPS sy fandravonana ireo olana samihafa. Olona akaiky ny Fitondrana izy ka asa izay ho fandehan’ny fitantanana eo anatrehan’ny mety ho fikasan’ny Fanjakana hindrana sy hampiasa ny volan’ny CNaPS tahaka ny efa niseho teo aloha?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.