Actualités

Tale Jeneralin’ny BNGRC Tratran’ny ampamoaka mavaivay…


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2020

Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny resaka voalaza fa niainga avy tamin’ireo mpiasa eo anivon’ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandindonin-doza na ny BNGRC tamin’ny alalan’ny Kaonty antsoina hoe :

 

 

 « BNGRC Interne ». Voatonontonona tamin’izany ny Tale Jeneraly dia ny Jeneraly Elack Olivier Andriankaja, izay andrasana izay mety ho valin-kafatra sy fanazavany. Nanomboka ny taona 2019 no nandraisany ny toerana, ka tokony hisy ny tombana, hoy ny hafatra niely. Potika tanteraka ny maha ny BNGRC, ny fanangonam-bola ny azy no laharam-pahamehany sy ny fividianana ny maha maika azy: fanorenana trano etsy sy eroa, fividianana fiara lafo vidy isan-karazany nandritra ny fihibohana. Voalaza anefa fa ny mpiasa tsy milamina ny fisitrahana tambin-karama, efa iray taona mahery izay fa toa odiany tsy hita sy tsy iasana loha, ka tsy mbola tsy nisy ny toa izao teto anivon’ny orinasa, hoy ny hafatra. Tsy menatra akory ny tenanano, ny zanaky ny mpiasanao tsy tafiditra mianatra, ny hofan-trano tsy voaloa, ny ho hanina tsy hita sa tsy olona izahay ny aminao ? Ianao isam-bolana mamoaka fiara « 4x4 » vaovao foana miditra ny birao, hoy ny fitantaran’ireo mitonona ho mpiasa, izay milaza fa misy 8 volana tsy nahazo karama. Matoa ny dosie momba ny tetibola PTA (Plan de Travail Annuel) izay atolotrao tsy ankatoavin’ny eo anivon’i Primatiora sy ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana (MID) dia noho ianao izany fa mba mihevera tena, hoy ny hafatra mavaivay.

KIANTRANOANTRANO…

Ambaran’io karazana ampamoaka io fa afa-baraka ny Filoha amin’ny fisehoany amin’ny aman-jery etsy sy eroa isan’andro fa toa ohatran’ny milamina tokoa ny orinasa sy ny mpiasa rehetra izay sahaninao na CCO na BNGRC nefa ory anatiny noho izy, ary voalaza mihitsy fa tsy manana traikefa momba ny fitantana mihitsy. Ny fampidirana mpiasa ireo olona akaiky anao ireo misesika ihany nefa ny karama aza tsy voa lamina,… Na ny Chef Personnel an’ny orinasa aza ny nametra-pialana noho ianao, ka tongava saina fa tsy mbola nisy olana taminay mpiara miasa mihitsy iny olona iny, hoy ny ampahany tamin’ny ampamoaka. Isan’ny mitantana ny fanampiana maro, na tamin’ny resaka loza, na tamin’ny hamehana ara-pahasalamana ny BNGRC, izay andrasana ny tatitra mazava. Efa tratran’ny ampamoaka tahaka izao ihany koa ny tale jeneralin’ny Jirama izay mbola am-perinasa. Manana zo feno hitondra fanazavana na fandisoana Atoa Tale Jeneraly, ka dia andrasana satria miteraka resabe ity raharaha ity.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT