Tale Jeneralin’ny APIPA teo aloha

Nodimandry Rateloson Philippe


  • Alarobia 17 Aprily 2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Raha araka ny vaovao azo dia tamin’ny Sabotsy 13 Aprily lasa teo izy no naiditra hopitaly. Afak’omaly Alatsinainy 15 Martsa kosa izy no namoy ny ainy rehefa notsaboina sy nialana nenina noho ny tsy fahasalamana nahazo azy. Tsiahivina moa fa anisan’ny nahavita be tamin'ny fandrindrana ny rano teto amin'ny lemak'Antananarivo Itompokolahy fony fahavelony ka nahatonga ny fahombiazan'ny famokaram-bary. Nampiavaka azy ihany koa ny fahaizany niara-niasa tamin’ny mpanao gazety izay mahazo vaovao hatrany isaky ny fotoana ilana izany, indrindra fa tao anatin’ny fotoam-pahavaratra izay nampiakatra ny rano. Namela mananontena iray sy kamboty miisa fito moa Itompokolahy raha miisa 10 kosa ny zafikely. Amin’ny Zoma 19 Aprily ho avy izao no halevina ny razana ka amin’ny 10 ora maraina no hiditra ao amin’ny fiangonana FPVM Antaninanandrano Ampandrana ny nofo mangatsiakany mialohan’ny hametrahana azy eny amin’ny fasan-drazany eny Ambohimasina Manjakandriana. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany ny gazety Tia Tanindrazana. Pati
Legende : Itompokolahy fony fahavelony !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT