Omaly no nohenoina teny amin’ny Chaîne penale teny amin’ny 67 ha Atoa Rasidy Desiré
, tale jeneralin’ny orinasa Jirama teo aloha rehefa avy nohenoina teny amin’ny birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly. Fiampangana fanaovana kolikoly efa ho valo volana lasa sy fifidianana tavan’olona teo amin’ireo mpiara-miasa no anton’izao niantsoana azy izao. Nisy nantsoina teny amin’ny Chaîne pénale ihany koa ireo mpamatsy fitaovana ny orinasa Jirama sy mpiasa sasan-tsasany avy tany amin’ny faritany saingy tsy mbola nisy nipika moa ny vokatry ny fanadihadiana.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.