Actualités

Tale jeneralin’ny Galana “Mitatao ny loza noho ny halatra solika…”


  • Alarobia 25 Jona 2014

Mbola mitana ny sain’ny maro ao Toamasina, ilay tranga na halatra solika nahafaty tovolahy 3 sy hitsaboana ireo 4 ambiny izay sady may sy voapoizin’ny solika nangalariny.

 Voaporofo izao fa mpiasa mpitondra milina fibatana entana eo anivon’ny orinasa La Seal ny iray maty, mpamily fiarakaretsaka ny iray. Nisy 3 mirahalahy koa tamin’ireo jiolahin-tsolika ireo ka ny iray maty tsy tra-drano raha mbola tsaboina eo anivon’ny hopitaly be ny 02. Vokatry ny zava-nisy izay loza mitatao ho an’ny tanànan’i Toamasina, dia tonga tao Toamasina ny minisitry ny vokatra stratejika Atoa Lalarisaina nijery ny tena fandehan-javatra marina. Nandritra izay no nidinany ifotony nijery ilay toerana nitrangan’ny halatra tao Canada Ampasimazava sy teo an-tokotan’ny La Seal, izay nilazan’ity mpiasa tao fa sambany nitranga tao amin’izy ireo izao zava-misy izao, tsy kaontenera misoratra amin’izy ireo koa nisy ireo barika be saika hofenoana solika fa kaontenera avy ivelany nampidirina antsokosoko mitondra ny laharana MRKU 716.596/3. Nomarihan’Atoa Lalarisaina nandritra ny fivoriana nifanaovany tamin’ireo tompon’andraikitra samy hafa sy ny tale jeneralin’ny Galana, fa “ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny tsirairay, amin’ny fiambenana ny fantsona mpitondra solika, satria raha hisy ny loza na betsaka ny solika very amin’ny halatra dia ny famatsiana an’i Madagasikara ara-tsolika mihitsy no hisy olana”. Efa misy kosa ny teti-panorona napetraka amin’izany. Ny tale jeneralin’ny Galana Manangareza, Atoa Boarilaza Mamy, kosa nanambara fa, efa nahatratra 100 mahery ny halatra nitranga ny taona lasa, tsy lavitra izany koa no efa nitranga ankehitriny. “Tsy ny halatra solika no olanay na mahatonga fatiantoka ho anay izany, fa ny loza haterany raha sanatriavina misy afo ka loza mitatao amin’ny vahoaka”. Hisy koa ny fanentanana hataon’ny Galana indray ato ho ato ho fampahalalana ny olona ny voka-dratsin’izao halatra solika amin’ny fantson’ny Galana Seranan-tsambo – Manangareza…

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT