Actualités

Tale Jeneralin’ny “Douanes” Misy fanovana goavana eo anivon’ny fadintseranana malagasy


  • Alakamisy 18 Septambra 2014

Iaraha-mahalala ankehitriny, hoy Atoa Raminomanana Harizaka Tale Jeneralin’ny “douanes” am-perinasa teny Antaninarenina omaly, fa any ivelany any dia efa tsy laharam-pahamehana amin’ny fampidiran-ketra ao amin’ny firenena intsony ny eo anivon’ny fadintseranana noho ny fivoaran’ny teknolojia sy ny fivoaran’ny tsenam-barotra iraisam-pirenena.

 Eto Madagasikara aloha hatreto, hoy izy, dia mbola lohalaharana amin’ny fampidiran-ketra ho ao amin’ny kitapombolam-panjakana Malagasy ity fadintseranana ity. Noho izany, misy fandaminana goavana sy maromaro ato amin’ity sampandraharahan’ny fitantanambolam-panjakana ity ankehitriny. Eo amin’ny fomba fiasa dia vita tsy ela izay ny famindrana andraikitra an’ireo mpiasa, araka ny fangatahan’ny maro eto amin’ny fadintseranana hoe tsara raha asiana fihodinkodinana (rotation) eo amin’ny andraikitra eo amin’ireo mpiasa tompon’andraikitra ambony, indrindra eo amin’ny “inspecteur des douanes” sy “cadres administratifs”. Tanteraka koa ny “Plan d’action prioritaire” ka voalohany amin’izany ny hoe : ahoana ny hanatsarana ny fampidirambolam-panjakana eto amintsika na eo aza ny fifanaraham-barotra samihafa natao tamin’ny Sadc sy Comesa ary Coi ? Maro ny entana avy amin’ireo rafitra ireo tsy andoavan-ketra intsony ny fampidirana azy eto amintsika. Tahaka izany koa ny avy amin’ny Vondrona Eoropeanina noho ny fifanarahana APE voasonia tamin’ny 2009 izay mamaritra fa misy ampahana entana maro avy any Eoropa ihany koa tsy andoavan-ketra intsony ny fampidirana azy eto Madagasikara ary any amin’ny taona 2022 aza dia tsy andoavan-ketra daholo intsony ny entana avy any Eoropa rehetra. Hihena ny vola miditra amintsika ao anatin’izany ka tsy maintsy misy ny tetikady hampitomboina aza avy amin’ny fadintseranana. Ny entana mivoaka moa tsy andoavan-ketra intsony fa ny miditra dia hamafisina ny “Contrôle de verification” hiadiana amin’ny hosoka. Atao ny “Analyse de risque” ka fantarina any am-potony, any am-piaingana ny entana halefa atsy amintsika fa sady manampy betsaka ny mpandraharaha izany. Faharoa dia hisy koa fanaraha-maso an’ireo serenana isan-tsokajiny. Misy “service de suivie des operations commerciales noforonina mahita ny “dedouanement” noho ny teknolojia. Dia mbola hisy koa aty aoriana ny “contrôle à posteriori” azo hanarahana ny “operation” hatrany amin’ny fandraiketam-pitantanana na “comptabilité”. Tsara homarihina, hoy ity Tale jeneralin’ny “douanes” ity fa efa eo an-dalam-pametrahana  ny fitaovana “Centre de surveillance” misy “camera” ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ankehitriny. Fanaraha-maso manaraka toetrandro ahitana “barriere electronique” ka tsy hisy fiara tafavoaka ao raha tsy mazava daholo ny antontan-taratasiny. Na izany aza mbola olombelona no mibaiko an’ireo ka tsy atao ambanin-javatra ny fanofanana ireo mpiasa, fanomezana azy fitaovana sy hoenti-manana. Amin’ny ankapobeny, tena manao ezaka ny fadintseranana Malagasy amin’ny fampidiran-ketra eto amintsika, hoy ny tale Raminomanana Harizaka. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT