TALATAMATY_FETIN’NY 26 JONA

Vavaka no hanokafana ny fankalazana


  • Zoma 07 Jona 2024

Manome maodely ireo kaominina mitovy aminy ny kaominina Talatamaty ao anatin’izao

fankalazana ny fetin’ny 26 Jona, niverenan’ny faha-64 taona nahazoana ny fahaleovantena izao. Fotoam-pivavahana lehibe entina hisaorana sy hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra no hanokafana izany ao amin’ny Ekar Imerinafovoany ny 12 Jona ho avy izao. Vavaka iraisam-pinoana hatrehin’ny rehetra no hatao amin’izany ho fisaorana an’Andriamanitra sy ho fametrahana ny tohin’ny fiainan’ny kaominina eo am-pelatanany indray. Nambaran’ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominic moa fa ilaina ny mametraka ny zavatra rehetra eo am-pelatanan’Andriamanitra mialohan’ny hanatanterahana azy na inona na inona. Hisy ihany koa ny fitondrana am-bavaka ny firenena mandritra izany. Ho an’ny kaominina manokana moa dia hiara-hiombom-po ny rehetra mba hanomezan’Andriamanitra fahasalamana ny mpitantanana hahafahan’izy ireo manasoa ny vahoaka.
Pati
Legende : Zava-dehibe ny fiaraha-mivavaka tahaka izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT