Hanao hetsika fitakiana goavana ao an-tampon-tanànan’i Talata Volonondry anio
zoma ireo mpivarotra koba sy saosisy any an-toerana. Hataon’izy ireo eo imason’ireo manam-pahefana ho avy hametraka ny samboadin’ireo Ben’ny tanana any amin’iny faritra iny mihitsy izany mba hahafahana mitady vahaolana. Raha tsiahivina kely mantsy ny tantara dia tsy manaiky ary tsy hanaiky ny hamindrana azy ireo ao anatin’ilay tsena vaovao ireto mpivarotra saosisy sy koba eny Talata Volonondry ireto. “Aleo aloha izahay hivarotra toy ny teo aloha ihany fa tena maty hoy ny Raim-pianakaviana mpivarotra iray noho ny fahasahiranana nateraky ny fihibohana!”. Vao mba misokatra kely ve hoy izy ny tsena dia tadiavina hakatona anaty tsena tsy hisy mpahita izahay ? Tanjon’ireto mpivarotra ireto izany efa mahatratra 50 eo ho eo moa ny hahafahany mivarotra eny amoron-dalana toy ny nataony teo aloha hatrany. Efa nisy moa ny fitokonana notanterahin’izy ireo afak’omaly nentina nanoherana izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.