Taksibrosy Toliara-Antananarivo

Nahatrarana rongony 15 sachets tao ambany seza


  • Talata 27 Febroary 2024

Voasambotry ny Polisim-pirenena miasa ao amin 'ny

SRPJ (Service Régionale de la Police Judiciaire ) Fitaleavam-paritry ny ny Filaminam- bahoaka Ihorombe tao Ihosy ny lehilahy miisa 04 ny 23 Febroary lasa teo tamin'ny 04ora 45 minitra hariva rehefa nitazona sy nanao trafikana zava – mahadomelina. Loharanom - baovao avy amin'olona tsara sitrapo no nahafantaran ' ny Polisy fa misy taxi - brousse mitondra rongony niainga avy any Toliara nihazo an ' Antananarivo. Tsy niandry ela fa nirotsaka an - tsehatra avy hatrany moa ireo tompon’andraikitra, nametraka ny sakana teny amin 'ny lalam-pirenena fahafito, faritra Ihosy nanao ny fanaraha - maso sy nitsirika ireo mpandalo. Vokany, tra - tehaka nandritra izany ilay fiara voalaza. Tamin ' ny fisavana dia hita tao ambany seza, natao tsara afina, taorïan ' ny mpamily ny rongony miisa 15 sachets izay milanja 04kg. Nandritra ny fanadihadiana no nahafahana nisambotra ireo 03 lahy hafa tany Fianaratsoa. 04 ireo olona voasambotra noho izany dia mpamily ny fiara sy ireo tompon 'entana 03 ambiny.
Pati
Legende : Ity ilay taxi-brousse nitondra ilay rongony !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT