Actualités

Taksibe manao vodihazo eto an-drenivohitra Maniratsira mpandeha ny mpamily sasany


  • Alatsinainy 01 Septambra 2014

Efa mampifamaly mpandeha sy mpamily ary resevera saika isan’andro vaky izao ny afitsoky ny zotram-pitaterana maro eto an-drenivohitra eto amin’ny fanaovana ny antsoina hoe vodihazo na fitarozahana eny am-pandehanana ka matetika mamparesy tory mpandeha mihitsy

Matetika moa ny hafatra azon’ny mpandeha sahy mimenomenona amin’ny mpamily ny fiara dia ny hoe : mandehana taksi rehefa maika fa tsy ianareo akory no hameno ny versman’ny patrô rahariva. Tsy nisy valaka tamin’izany ny nambaran’ity mpamily zotra iray niainga teny Mandroseza ity tamin’ny faran’ny herinandro teo ary saika nampidininy haka zotra hafa mihitsy ilay mpandeha nimenomenona taminy satria ela loatra no niandrasana olona teo am-piaingana, tany amin’ny fahefatr’adiny latsaka kely monja teo nefa efa nisy fiara nanesika azy tao aoriana. “Efa fantatra fa vodihazo itony zotranay itony, hoy izy, ka mbola miditra ato ihany fa tsy mandeha amin’itsy mailaka be aloha itsy. Mandeha lera io fa tsy izahay no baikobaikoanao eo”. Tsy dia namaly firy intsony ilay mpandeha izay nihevitra fa ao anatin’ny “heure de pointe” tsy tokony hijanona ela amin’ny “terminus” ny zotra iray fa be ny mpandeha miandry eny an-tenatenan-dalana, ary dia izay tokoa no niseho fa nanjary nisy nitsangana ity zotra ity rehefa nandalo an’Androndra. Mba sarihana ihany ny  sain’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Kaominin’Antananarivo Renivohitra ao hoe : andraikitr’iza marina no manara-maso ny fampiharan’ireny zotra-pitaterana ireny ny “cahier de charge” ? Fa ampahan-java-tsy manjary ataon’ireto taksibe eto Iarivo teo fotsiny ity fanaovana vodihazo isaky ny “arrêt” ity nefa voalaza fa manala olona sy mampiditra izay miandry eo ihany no tokony hatao amin’ireny toerana ireny, ary ao anatin’ny fotoana voafetra izany fa tsy hoe izay tian’ny mpamily atao akory no ataony sy tsy maintsy eken’ny olona.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT