Actualités

Taksibe 163 Nifatatra an-tatatra fa resin-tory ilay mpamily


  • Alarobia 29 Jolay 2015

Taksibe ao amin’ny zotra 163 mampitohy an’Alasora by pass sy Ankadikely omaly no nifatratra tao anaty tatatra raha iny avy eo Andranobevava hiakatra ny tanànan’Analamihitsy iny satria resi-tory teo am-pitondrana fiara ny mpamily.



Tsy fantatra aloha na somary nisotro  zava-pisotro misy alikaola ity mpamily ity na ahoana fa ny fandehany aloha dia somary nihoatra ny tokony ho izy ihany raha ny marina. Nangataka ny hamerenana ny saran-dalana  ireo mpandeha tao anatiny rehefa nisy izany tranga izany satria samy maika ny hamonjy fotoana avokoa fa ny andro tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro tany saiingy tsy nety namerina izany feno intsony ilay resevera fa efa tapa-dalana hono sisa. Velona mihitsy moa ny fifamaliana teo amin’ilay resevera sy ireo mpandeha noho io tsy famerenana saran-dalana io. Namoaka vava mihitsy aza moa ranamana fa hingaina krika kely vetivety hono dia mandeha indray ity fiara ity fa tokony hiandry ireo mpandeha.Marihina fa samy nieren-doza tsy nisy naninona na iray aza ireo mpandeha tao anatiny.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT