Actualités

Taksi tsy mila OMAVET Mamaky ady amin’ny Kaominina


  • Alarobia 20 Septambra 2017

Nanatanteraka fitokonana faobe ireo fiarakaretsaka sasany mivondrona ao amin’ny FTAR ( fikambanan’ny Taksi eto Antananarivo Renivohitra) tarihin-dRaharinirina Clémence omaly talata 19 septambra.

  Fitokonana niainga teny Ankorondrano, nihazo ny faritra 67 ha sy Andavamamba ary nipaka hatreny amin’ny lapan’ny tanàna. Niteraka fitohanana goavana teto an-drenivohitra izy io. Anton’ny fitokonana ny tsy faneken’izy ireo ny hiantsorohan’ny OMAVET ny “contre visite” manomboka amin’ny taona 2018 ho avy io, fanapahan-kevitra noraisin’ny filankevitry ny kaominina Antananarivo Renivohitra ho fiarovana ny aim-bahoaka sy ny fananany. Eo ihany koa ilay resaka lanterne Publi motion izay tsy terena ny fampiasana azy fa miankina amin’ny safidin’ny tsirairay. Nambaran-dRaharinirina Clemence fa tsy hihemotra amin’ny hetsika ataony ny taksi. Fampanenoana lakolosy ny omaly. Miangavy ny amin’ny tsy hitikihan’ny kaominina azy ireo intsony ny filohan’ny FTAR mba hisian’ny filaminana. Ankoatra ny resaka OMAVET sy lanterne dia fantatra fa tsy zakan’ireo taksi koa ny fakan’ny polisy monisipaly vola amin’izy ireo sy ny sazy takin’ny Easy park ateraky ny fampiasan’izy ireo toby fiantsonana eny anelanelany eny.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT