Tsy azo ampiasaina intsony ireo takelaka misy ny laharan’ny fiara na «plaque d’immatriculation» tsy manara-penitra.
Ireo takelaka manana tokotany mainty sy fotsy ny lokon’ny laharana ary mazava tsara ny soratra ihany sisa no ekena. Tsy maintsy ovaina hanaraka io fenitra io avokoa ireo hafa rehetra toy ireny mangirana ireny ny lokon’ny laharana na koa mavo ny tokotany na koa mandry ny soratra. Voarara koa ireo takelaka misy sarina saina. Nanana hatramin’ny faran’ny herinandro teo ireo tompona fiara hanovana ny takelaky ny fiarany hanaraka io fitsipika io. Marihina fa manomboka amin’ny 12.000 Ariary dia efa mahazo takelaka miaraka amin’ny fametahana azy. Anton’izao fanapahan-kevitra izao ny fisian’ireo mpamily fiara mitsoaka rehefa avy mandika lalàna toy ny fandonana mpandeha, ohatra. Misy sasany amin’ireo takelaka amin’ny fiarany no saro-bakiana na tsy voavaky mihitsy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.