Actualités

Takaitran’ny rivodoza Enawo Nahazo Vatsin’Ankohonana i SAVA


  • Talata 03 Oktobra 2017

Nomarihina tany amin’ny Faritra SAVA ny 29 septambra ka hatramin’ny 01 oktobra teo ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zokiolona, teo ambany fiahian’ny minisiteran’ny mponina sy ny fampiroboroboana ny vehivavy (MPPSPF).

Faritra nitondra takaitra be indrindra tamin’ny rivodoza Enawo izy ka nisafidianana azy hanaovana fanarenana manokana. Anisan’ny nisongadina ny fanamafisana ny tetikasa « Vatsin’Ankohonana », tohana ara-bola mitentina 60 000Ar isam-bolana ho an’ny zokiolona marefo miisa 500 ao anatin’ny distrika miisa 4, dia Sambava, Andapa, Vohémar, Antalaha. Tao Sambava no nanaovana ny lanonam-pamaranana ofisialy. Marihina fa hananganana Ivontoerana lehibe hahafahan’ny zokiolona mihaona sy miala voly na CRLPA ao Sambava. Nandritra io fotoana io no nametrahana ny vato fototry ny fotodrafitrasa hajoro. Nohavaozina sy nahazo fampitaovana, toy ny fahitalavitra kosa sy fitaovana fialam-boly kosa ireo Ivon-toerana CRPLA 3 hafa efa misy any amin’ny faritra SAVA. Homena fizaham-pahasalamana maimaimpoana in-droa isan-kerinandro ihany koa ireo zokiolona isaky ny ivontoerana, ka ny Club des Amis des Personnes Âgées (CAPA), ahitana mpitsabo sy mpiasan’ny fahasalamana no misahana izany. Nisy ny asa tanamaro na HIMO, fanohizana ny fanarenana ny mponina taorian'ny fandalovan'ny rivo-doza, ka olona 2000 no mandray tambin-karama 5000 Ar isan'andro mandritra ny 5 andro amin’ny asa fanadiovana lakan-drano mirefy 9km. Ankizy 400 mahery notolorana fitaovam-pianarana, ary nahazo  fitaovam-pamokarana ny fikambanam-behivavy. Momba ireo zokiolona, dia nambaran’ny minisitra Onitiana Realy fa "holaniana tsy ho ela eo anivon'ny Parlemanta ny tolo-dalàna mikasika azy ireny. Zava-dehibe tokoa izy io ho fitsinjovana ireo Zokiolona tsy mba nisitraka fiahiana ara-tsosialy hatrizay. Mendrika ny fanajana sy fiahiana ary ny fanehoam-pitiavana avy amintsika izy ireo satria azo lazaina fa reharehan'ny firenena ny fananana azy", hoy ny minisitra Onitiana Realy.

 


 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT