Miverina ny resaka fanjakazakana ataon’ny fianakavian’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina.
Malaza indray ny fibodoana kariera fitrandrahana vato any Mananoro Tritriva-Antsirabe, ataon’ny fianakaviany. Nitondrana mpitandro ny filaminana nirongo basy tany an-toerana, ary noroahina tao ny tompony, ka ity fianakavian’ny filoham-pirenena ity no mampiasa olona ao amin’izao fotoana, raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Nisy mihitsy ny fifandonana. Nisy ny fiara sy moto may ny faran’ny herinandro iny. Nitory teny amin’ny fitsarana sy ny manampahefana ireo lasibatra, saingy tsy mahita rirany. Voalaza mantsy fa samy mamitsaka, tsy sahy misoka-bava ny rehetra. Mihorohoro aza ny sasany vao mandre fa fianakavian’ny filoha io. Mandraiky manavy hatramin’ny tompon’ilay kariera noho io zava-manjo azy io. Ny taona 2014 dia efa voatonontonona io fianakaviana io tamin’ilay raharaha “Quartz fumé” milanja 6 taonina hita tany Tsiroanomandidy, ary nentina teny Ampandrianomby Antananarivo misy ny sampandraharaha momba ny harena ankibon’ny tany avy eo nanjavona. Teo koa ny gidragidra momba ny ady kariera tany Anjozorobe ny volana febroary 2016, nisian’ny fitifirana nahafatesana olona, izay nahavoatonona ny fianakavian’ny filoha. Tranga toa manaporofo ilay rahom-bava miharo fireharehana nataon’ilay mpandraharaha mpanefoefo Razaimamonjy Claudine voarakitra tamin’ny horonam-peo hoe: “izahay izao no eto amin’ny fahefana”. Miandry ny filoha Hery Rajaonarimampianina tsy ho eo amin’ny fitondrana intsony tokoa angamba vao hitsimbadika ny tantara.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.