Actualités

Tahotra hisian’ny fipoahana any SAVA Mikorapaka sy mailo fatratra ny Fanjakana


  • Alakamisy 23 Martsa 2023

Vokatr’ilay fanambarana nataon’ireo SOS Vanille any amin’ny Faritra SAVA natao tao Antalaha ny alatsinainy 20 martsa teo,

nikoropaka ary nivory maika ny OMC (Organe Mixte de Conception) Ivondronan’ny solontenam-panjakana sy ny mpitandro ny filaminana, ka nanao fivoriana maika ny 21 martsa, araka ny loharanom-baovao azo antoka omaly. Raha hiverenana mantsy, mitaky ny fanafoanana ny CNV(Conseil National de la Vanille) sy ny fanalalahana ny fandraharahana amin’ny lavanila ho an’izay manara-dalàna ireo mpitarika ny SOS Vanille ahitana ny depiote teo aloha sady mpandraharaha matanjaka Laisoa Jean Pierre na Jaovato sy olona 4 hafa. Nanome fe-potoana 72ora ho an’ny Fanjakana izy ireo, ary mpamboly sy mpisehatra amin’ny lavanila 5000 no voalaza fa efa nanao sonia, ary vonona hanao hetsika goavana raha tsy voavaha ny olana, raha ny vaovao avy any SAVA nanomboka ny alatsinainy teo. Tapitra anio izany ny 72 ora, raha raisina amin’ny daty namoahana ny fanambarana. ny vaovao azo avy any SAVA hatrany, dia nosokajian’ny Fanjakana ho fikasana hanao fanakorontanana no ao ambadik’izany. Navoaka avy hatrany noho izany ny fanairana sy baiko fanetsehana ny mpitandro filaminana na « mise en alerte immédiate » hiatrehana ny mety ho hamehana sy fandraisana fepetra tampoka. Voalaza fa nifandray tamin’ny Depiote teo aloha voalaza anarana etsy ambony mba hanao fangatahana mazava amin’ny Fanjakana maheefa mba hisorohana ny fihoaram-pefy amin’ny mety hisian’ny fihetsiketsehana ihany koa ny Lehiben’ny Mpitandro filaminana any SAVA. Ny fanazavan’ny ankilany kosa dia voalaza fa lisitr’ireo mpandraharaha nanasonia mba halefa amin’ny governemanta no nataon’izy ireo. Manaraka akaiky ny zava-misy sy ny toe-draharaha any Antalaha sy SAVA kosa ny Fanjakana eo anatrehan’ny mety hisian’ny fipoahana.


1500 hatramin’ny 2500 taonina isan-taona ny lavanila aondran’i Madagasikara. “Izahay no mamboly lavanila, izahay no mikirakira azy, hakan’ny CNV 4 dolara isaky ny kilao kanefa tsy misy tamberiny aminay. Inona no mba miverina aty amin’ny faritra?”, hoy I Jaovato. Milaza fa vonona hifampiresaka ny SOS Vanille saingy manitrikitrika hoe: maninona ny lalàna nisy (97-046 ny 04 novambra 1997) milaza malalaka ny fihariana lavanila no nohitsakitsahina?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT