Tsy tongatonga ho azy ny safidy an’i Côte d’Ivoire fa noho ny tanjaka ara-toekaren’ity firenena ity, nahavita nampitombo ny harinkareny hatrany amin’ny 10% tato anatin’ny telo taona. Anisan’ireo firenena manana maodely ara-toekarena fakan-tahaka aty Afrika i Côte d’Ivoire ankehitriny. Etsy an-kilany, ireharehan-dry zareo Frantsay fatratra ny fananany orinasa 200 miampy orinasa madinika sy salantsalany (PME) manodidina ny 400 tantanan’ny teratany frantsay any Côte d’Ivoire, namorona asa 35 000 ary miantoka ny 50%-n’ny hetra miditra ao amin’ny kitapom-bola ivorianina, hanehoany fa izy no mifehy ara-toekarena ity firenena ity. Tsy lavitr’izany ny eto Madagasikara ka tokony hanaitra ny hambom-pon’ny Malagasy tia tanindrazana.

Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.