ette avokoa ireo kaominina ireo, fitaovana hahafahana mifandray avy hatrany amin’ny Fdl mikasika ny filan’ny kaominina, indrindra moa raha misy loza tsy azo hivalozana toy ny hain-trano na tondra-drano hamoizana ain’olona, hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity. Hifarana anio ny fiofanana. Ho an’i Abdoul Ismael, Ben’ny tanànan’Andasibe gara any amin’ny distrikan’i Moramanga dia tena manampy azy ireo be dia be tokoa ny fisian’izao fiofanana izao. Hatreto dia efa in-droa nahazo famatsiam-bola tamin’ny FDL ny kaominina tantanany izay mitentina 9 tapitrisa Ar hatrany hatrany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.