Actualités

Tahiry ho an’ny fampandrosoana ifotony Ben’ny tanŕna 11 niofana sady nahazo fitaovana


  • Zoma 19 Jona 2015


 

Ben’ny tanàna mitantana ireo kaominina azo lazaina ho filamatra miisa 11 no miatrika fiofanana etsy amin’ny tahiry ho an’ny fampandrosoana ifotony na ny FDL etsy Anosy nanomboka omaly. Mba hisian’ny fanatsarana amin’ny fitantanana ny kaominina ao anatin’ny mangarahara no tanjona izay tafiditra ao anatin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy, raha araka ny fanazavan’ny talen’ny tahiry ho an’ny fampandrosoana ifotony Raharinjatovo Hanitra. Ankoatra izay dia novatsiana tablette avokoa ireo kaominina ireo, fitaovana hahafahana mifandray avy hatrany amin’ny Fdl mikasika ny filan’ny kaominina, indrindra moa raha misy loza tsy azo hivalozana toy ny hain-trano na tondra-drano hamoizana ain’olona, hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity. Hifarana anio ny fiofanana. Ho an’i Abdoul Ismael,  Ben’ny tanànan’Andasibe gara any amin’ny distrikan’i Moramanga dia tena manampy azy ireo be dia be tokoa ny fisian’izao fiofanana izao. Hatreto dia efa in-droa nahazo famatsiam-bola tamin’ny FDL ny kaominina tantanany izay mitentina 9 tapitrisa Ar hatrany hatrany.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT