Actualités

Tahiriniaina Ravelonandrasana Hitondra zava-baovao ho an’Ambavahaditokana


  • Talata 30 Jona 2015

Mandray anjara amin’ny fifidianana kaominaly hotanterahana ny 31 jolay ho avy izao ny fikambanana « Mandroso ny tanŕnako » ka lohalisitra eny amin’ny kaominina Ambavahaditokana Atoa Tahiriniaina Ravelonandrasana,

 


  izay laharana voalohany ao amin’ny bileta tokana moa. Naseho vahoaka ny 25 jona lasa teo ity kandida hifaninana ho ben’ny tanàna eny Ambavahaditokana ity. Nialohavana fanompoam-pivavahana tao amin’ny Fjkm Ambohimandroso Itaosy Fiorenana ny fotoana mialoha ny fandraisam-pitenenana fampahafantarana misimisy kokoa ny kandida sy ireo mpiray lisitra aminy. Teny filamatra ho an’i Tahiriniaina Ravelonandrasana sy ireo mpiara-dia aminy ny hoe : « vanim-potoana vaovao izao, asa tsara, lova ho an’ny taranaka ». Any anatin’ny fampielezan-kevitra moa vao tena hamelabelatra ny fandaharanasany ity kandidan’ny «  Mandroso ny tanànako » ity saingy faniriany sahady ny hitondra zava-baovao, mahasoa ho an’ny kaominin’Ambavahaditokana sy ireo mponina rehetra ao aminy.


Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT