manamaivana ny manampahaizantsika »
Anisan’ireo naneho hevitra nanoloana ny teny nataon’ny Mpitondra tenin’ny Filohan’ny Repolika Rtoa Lova Ranoromaro izany naneho fa ny « Profesora Malagasy moa nanana ny maha izy azy tamin’izany fotoana izany, ary mampalahelo amin’izao fotoana izao fa tsy misy intsony izany profesora tena hoe : mahay !» i Tahina Razafinjoelina izay mpisehatra amin’ny tontolon’ny fampianarana, mpampianatra mpanabe. Nahitsy izy naneho hoe : « Marina fa hoe ny hevitra tera-bary, samy manana ny fomba fijeriny fa sao dia mba tsy mety kosa ny manamaivana na sanatria manambany ny manam-pahaizana malagasy e ! ». Mbola nampiany hoe : « Eny re ! Tsy mahay tokoa ny manam-pahaizana Malagasy. Efa nanandrana ianareo tamin'ny JIRAMA, AIR MAD, BAREA...fa ny FLY EMIRATES mihitsy no adala naka mpanamory MALAGASY. Fa izy ity anie tsy vitan'ny resaka sy ny seho sy ny fety e. Asa maharitra ny asa fampandrosoana. Fahasalamana, Fanabeazana, fandriam-pahalemana, famokarana. Mahita an'ireto vola be nariana ho an’ny fety sy rendrarendra tsy ho ampiasaina ireto aho dia lasa saina hoe : raha mba nandeha izao ny scanner na chimiothérapie amin'ireny hopitalim-panjakana ireny, mety ahavelona olona firy? », hoy hatrany i Tahina Razafinjoelina. Mbola nampiany fa raha mba nandany vola niara-niasa tamin’ireo manam-pahaizana Malagasy momba ny fambolena vary sy katsaka isika, mety tsy nanafatra vary sy katsaka intsony. Mba mety miakatra ohatrinona re ny ARIARY amin’ ny tsena iraisam- pirenena e ? hoy izy nampisaintsaina. Tsy vao izao i Tahina Razafinjoelina no naneho fa ny fampianarana sy ny fanabeazana no fanalahidy hahafahana mampandroso an’i Madagasikara. Mila hatsaraina ny tontolon’ny fanabeazana, ny rafi-panabeazana, ny proraham-pampianarana, fa indrindra indrindra mila omena sehatra sy toerana omena fitokisana ireo manam-pahaizana Malagasy. Iza tokoa moa no afaka hitia sy hampandroso voalohany an’i Madagasikara mihoatra an’ireo vato nasondrotry ny tany, ireo manam-pahaizana Malagasy, ireo tanora sokajiana fa ho avin’ny Firenena,… ? Moa tsy zary mandrisika ny fitadiavan’ireo manam-pahaizana làlana hivoahana eto na « fuite des cerveaux » ve ny fanamaivanana sy tsy firaharahiana ny fanambeazana sy ireo manam-pahaizantsika ? Moa mba tsapan’ny Fanjakana ve fa tsy misy Firenena mandroso raha ny fampianarana no mikoroso fahana araka ilay tenin’i Nelson Mandela hoe : raha te hamotika firenena iray dia tsy mila baomba atomika akory fa ny fanabeazana no potehina ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.