Tao anatin’ny fahitalavitra tsy miankina Real TV no nanehoan’i Tahina Razafinjoelina
Filohan’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana hevitra mikasika ny raharaha fahapoizina ara-tsakafo samihafa omaly, rehefa nanontan’io fahitalavitra tsy miankina io ny fahitany ny zava-misy. Aminy, matoa ilay izy afenimpenina dia ao raha, kanefa tokony hanana fanentren-tena hilaza ny marina ny Fanjakana. « Ireo dokotera sy tompon’andraikitra miteny ireo mety omentsika tsiny, fa baiko ny azy ireo. Ny avy any ambony mihitsy no tokony hiteny hoe misy tsy nety tokoa izao. Tsy voatery mifona, fa raiso fotsiny ny andraikitra. Efa hatrany am-boalohany no fantatra fa misy tsy mety sy misy afenina io », hoy i Tahina Razafinjoelina. Niantso ny mpitondra hanitsy ny fomba firesaka sy ny fahadisoana tao anatin’ny fomba nitondrana ny raharaha noho izany ny tenany. « Miangavy mihitsy aho amin’ny mpitondra hoe : « tsy Andriamanitra ianareo fa olombelona ihany, ka ny dikan’izany dia mandiso ianareo indraindray, rehefa mandiso dia tsy mahazo manohy an’izay fahadisoana izay elabe, ary izahay tsy mangataka hoe : mifonà ianareo amin’ny olona, fa amboary fotsiny ilay izy amin’ilay sakafo hoe : inona no nahasimba an’ilay izy », hoy hatrany i Tahina Razafinjoelina. Araka ny fijeriny, mety nisy fanafarana diso efa lany daty na zavatra hafa, fa tena mila atao mihitsy ny fanadihadiana mba tsy hahafaty ny Malagasy hafa raha ny nambarany. « Tsy fanambaniana anareo ny fanambarana hoe nisy tsy nety tokoa dia ahoana ny hanamboarana azy, ka tsy hitako izay olana an’izany, olombelona ihany, fa matoa ianareo tsy manaiky an’izany dia mandray tena ho Mesia na Andriamanitra dia eo no mahavoa ilay firenentsika.Lasa mifaninana eto fotsiny hoe iza no marina iza no diso kanefa efa nisy maty», hoy i Tahina Razafinjoelina. Aminy ny tena maika dia ny fijerena hoe inona no mahatonga ny sakafo mety ho simba ka mazava ho azy fa anisany ny Jirama, ka mila jerena izay ahafahana mamaha ny olan’ny herinaratra. Nanaitra manoloana ny fanagadrana ireo olona nampidirina amin’ity raharaha ity i Tahina Razafinjoelina sao sanatria natao sorona fotsiny. « Mba jereo ireto olona nogadraina ireto sao mba tsy rariny. Atao misolo vaika ny akalana fotsiny ve ireo olona ireo ? Tsia, raiso ny andraikitra, aza afenimpenina, », hoy hatrany i Tahina Razafinjoelina. Nanamafy ny tenany fa misy zavatra iraisana ireo tranga rehetra. « Matoa io olana io andeha atao hoe : tsy « fahapoizinana » fa sakafo simba miseho amin’ny faritra maromaro, dia misy antony itambarana ao, misy raha ao. Tsy mitombona hoe : olona nanapoizina tary na mpamosavy nandeha nitaingona kofafa nakany Ambositra dia avy eo tonga any Mahajanga », hoy hatrany i Tahina Razafinjoelina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.