Tahina Razafinjoelina

Mila atao mangaraharaha


  • Alatsinainy 03 Novambra 2025

sy alalahana ny fampidiran-ketra

Ny hetra alaina amin'ny karama mihoatra ny 4 tapitrisa ariary ihany no lasa 25% fa ny ambiny tsy miova araka ny voarakitra anatin'ny famolavolana ny tetibola-panjakana 2026 (PLFI 2026). Raha ny voafaritra ao anatin’io : 0% ny IRSA alaina raha mikarama latsaky ny 350.000 ariary : 5% (350.001 ariary à 400.000ariary) ; 10% (400.001 ariary à 500.000 ariary) ; 15% (500.001 ariary à 600.000 ariary) ; 20% (600.001 ariary à 4.000.000 ariary) ; 25% (Mihoatra ny 4.000.000 ariary). Samy manana ny ambarany sy ny fahitany azy ny olom-pirenena. « Ny antony mahatonga ny olona malaina hanefa hetra dia satria tsy fantany ary tsy tsapany hoe lasa aiza ny vola alohany, izany hoe anisan’ny vaha olana lehibe andrasan’ny vahoaka ny mangarahara amin’ny vola miditra sy mivoaka rehetra amin’ny fanjakana. », hoy i Tahina Razafinhoelina, Filohan’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana na FTT. Soson-kevitra narosony ny tokony hanaovana mangarahara sy alalahana ny fampidiran-ketra (assiette fiscale) ahafahana mapandroso haingana ireo asa ho an’ny firenentsika. Iza tokoa moa no tsy efa mba naniry izany hoe vao hividy ny entanao any am-pita ianao dia fantatrao ny 90% ny haban-tseranana ho alohanao? Hoy hatrany izy. Nanamafy noho izany i Tahina Razafinjeolina, fa ny fametrahana izany dia mitaky fifandraisan’ireo « système informatique » rehetra (budget, tresor, impot : siigtas, douane : sydonia, armp…) ary tokony ho vita anatin’ny enim-bolana (6) satria hiaraha-hiasa amin’ireo tanora manam-pahaizana amin’ny teknolojia sy fitantanana eto an-toerana. Rehefa mazava ny vola miditra sy mivoaka dia ilaina ihany koa ny fiparitahan’izy ireny eny akaikin’ny vahoaka (décentralisation des exécutions) mba hanatsarana ny fandriam-pahalemana, ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny lalana sns... Soson-kevitra fotsiny ihany satria tsy ny toerana no tanjona fa ny fandrosoana, hoy i Tahina Razafinjoelina.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT