Tahina Razafinjoelina

"Manaiky ny safidin'ny Filoha sy


  • Talata 21 Oktobra 2025

mifanampy no tokony hataontsika"

Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena indrindra fa ny adihevitra momba ny ny safidy sy fandrafetan'ny Filoha vaovao Kolonely Michaël Randrianirina ny Praiminisitra sy ny governemanta i Tahina Razafinjoelina. Aminy, efa nomena ny fitokisana hitantana ny Firenena ny Filoha vaovao, ka tokony havela hanana safidy malalaka amin'izay hitany fa mety. "Ry havana sy namana! Na iza na iza ho safidiny eo dia efa izy aloha no nekentsika hitondra. Tsy hitovy hevitra mandrakizay isika miankavy satria 30 tapitrisa mahery, fa ny anjarantsika dia ny manaiky ary mifanampy.", hoy i Tahina Razafinjoelina. Aminy, tsy misy hoe naman’iza, tsy misy hoe fitsapankevi-bahoaka amin’ny "commentaire" eny amin'ny tambajotran-tserasera fa rehefa izay no niantefan’ny safidiny dia andao, hoy i Tahina Razafinjoelina, hiasa isika amin’ny sehatra misy antsika tsirairay. Ny fotoana rahateo mandroso haingana, isika mbola hiady hevitra sy hiodikodina eto nefa ireo olana maro be dia mbola tsy maintsy ho atrehana tsy ho ela. "Sao mantsy sanatria hiverina eto ny 1997 bis vao ho taitra eto daholo hoe tsy vitan’ny ady varotra sy fifanaratsiana izy ity fa ASA.", hoy hatrany i Tahina Razafinjoelina. Raha hiverenana, tamin'ny fanatrehany ny fianianan'ny Filoha teny amin'ny HCC ny 17 oktobra teo no nilazany raha nanontanian'ny mpanao gazety ny ho fidiran'ny Firaisankinan'ny Tia Tanindrazana anaty governemanta, fa tsy seza sy toerana no maika fa vahaolana sy asa, fa ampanetren-tena hoe: raha misy fiantsoana amin'izay ifanampiana dia mifanampy. Isan'ny notsiahiviny hatrany ny maha zava-dehibe ny fanomezana fitokisana ny manam-pahaizana Malagasy indrindra manoloana ireo olana samihafa toy ny jiro, rano,... ka raha misy vola ho an'ny vary safiotra sinoa dia aleo ny tanora, ny mpikaroka Malagasy no homena vola hiasany sy hikarohany ary efa betsaka ireo voka-pikarohana azo ampiasaina,...
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT