Actualités

Tahiana Razanamahefa « Mila sahy misehatra amin’ny fampandrosoana ny vehivavy »


  • Zoma 05 Mey 2023

Mivoatra izao ny foto-pisainana Malagasy, hoy ny mpandraharaha, Tahiana Razanamahefa.

Maro ireo vehivavy manan-talenta sy fahaizana no mandray anjara amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra eny anivon’ny sehatra maro samihafa. Aty amin’ny tontolon’ny fandraharahana aty amin’ny sehatra tsy miankina dia efa betsaka koa ny vehivavy mandray anjara amin’ny fampandrosoana firenena aty amin’ny tontolo ara-toekarena. Tsy dia hita firy intsony izao ny hoe satria vehivavy dia tsy omena andraikitra. Ny traikefa sy fahaiza-manao no hametrahana ilay olona amin’ny toerany na lahy io na vavy. Araka ny isan’ny mponina eto Madagasikara nefa dia ny vehivavy no maro an’isa. Ny vehivavy koa no hita hoe manana diplaoma, mazoto mianatra. Misy noho izany ny tolotra omena ny vehivavy amin’ny sehatra maro ahafahany mivelatra sy mampandroso ary hitondrany fiantraikany anaty orinasa iray. Raha ny tokony ho izy dia taom-pifidianana ity taona ity. Ao anatin’izay, raha ampitahaina hoe aty amin’ny sehatra tsy miankina izay misy antsika dia hita ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy. Izaho manokana dia mampirisika ny vehivavy, indrindra, ny tanora malagasy hisehatra amin’izany raharaha politika izany satria miainga avy amin’izany ilay izy. Rehefa betsaka isika no miditra anatin’io dia mandray anjara amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra dia hitantsika hoe misy ny fivoarana, fanomezan-danja ny vehivavy, fanatsarana koa ny fari-piainan’ny vehivavy, indrindra, ny renim-pianakaviana, ny ankizy sy tanora ao anatin’izay. Mampirisika ny vehivavy handray anjara amin’ny sehatra maro samihafa na aty amin’ny resaka sosialy na politika na fampandrosoana toekarena na fampianarana ihany koa dia tokony hipetraka foana izay anjara toeran’ny vehivavy amin’ny fampandrosoana ny firenena izay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT