miafina ao an-tranoko izany"
Lasa fampisehoana ny hetahetam-po, fahasosorana, fahatezerana, alahelo anaty, eny mety azo atao mihitsy.aza hoe sehatra.fanaovana fitsaram-bahoaka ny facebook eto Madagasikara. Tsy tambazotra sosialy intsony fa toa lasa.tambazotram-pifamaliana. Nivoaka omaly alahady fa hoe miafina ao amin'i Jaytaxx na Tahiana Rasolojaona filoha tale jeneralin'ny onjampeo RDJ i Naina Andriantsitohaina, izay minisitry ny fitsinjaram-pahefana teo aloha no sady efa ben'ny tanànan'Antananarivo ihany koa. Karohina noho ny raharaha findraman'ny orinasa SMGD vola.11 miliara ariary taovamin'ny CNaPS izy. Inona akia no idirako hoy i Jaytaxx namaly avy hatrany ny ranty navoakan'i Syntia, anisan'ireo influenceuse Malagasy monina any ivelany mpiresaka , mpamoaka vaovao sy mpanao famakafakana. Fa iza moa aho no hanfina olona ao an-tranoko ? Inona no ifandraisako amin'i Naina A ? Tsy aleo ve mba hamarinina tsara ny vaovao mialohan'ny famoahana azy hoy hatrany i Jaytaxx izay nanamafy fa tsy misy an'izany Naina Andriantsitohaina izany ao an-tranony. Ny zavatra tahaka izao dia mety hampidi-doza sy ho lasa lavitra ka hiitatra amina olona na fianakaviana hafa. Tsara jerena tsara ihany ho an'ireo izay mizara vaovaobfa saropady ny zavatra soratana sy tenenina ka atao fanta-bahoaka.io. Ny olon-tsotra tsy voatery manam-potoana handinihina sy hamakafakana.fa rehefa mivoaka.dia raisiny ho marina izay. Marina fa hoe malalaka amin'ny fanehoan-kevitra fa ny fahalalahana.dia mitaky.adidy ihany koa fa tsy mijanona ho.zo fotsiny. Samy.tompon'andraikitra amin'izay soratany sy teneniny fa tsy rehefa ampiharana lalàna vao hoe tsy rariny .
Nangonin'i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.