TAFON-TRANO

Betsaka ireo voafitaka rehefa mividy


  • Alarobia 20 Novambra 2024

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny rivo-doza isika eto Madagasikara hatramin’ny fiandohan’ny volana

Novambra teo na dia mbola tsy mirotsaka aza ny ranon’orana. Tsy vitsy ireo efa miezaka ny mikarakara ny tranony manoloana izany manolo ireo kojakoja ahiana hitera-doza mandritra ny ranon’orana toy ny tafon-trano. Ho an’ireo tsy manana fahafahana moa dia ampiana fasika amin’ny gony….ireny tafo ireny arahin’ny fanampenana ireo diam-pantsika mba tsy hitete ny trano. Ho an’ireo tsy afa-manoatra intsony kosa fa tsy maintsy manolo dia fantatra fa maro no voafitaka. Raha mba mikendry ireo tafo matevina sy tsara ary amin’ny refy tena izy mantsy izy ireny dia ny mifanohitra amin’izay no mitranga. Nambaran-dRtoa Kezia Andriamiarantsoa, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Mora tole fa tsy izay mora akory no hatao hoe : tsara sy amin’ny kalitao fa izay avy amin’ireo mpamokatra manana mari-pandrefesana tena izy. Ho azy ireo manokana dia efa manana izany mari-drefy izany izy no sady misoratra eo amin’ny tafontrano vidiana ihany koa izany. Ankoatra izay dia manatitra maimaim-poana any an-tokantrano ihany koa izy ireo ho an’ireo izay mividy tafontrano mihoatra ny 1 tapitrisa Ar.
Pati
Legende : Ramatoa Kezia Andriamiarantsoa, tompon’andraikitra eo anivon’ny Mora Tole !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT