Laharam-pahamehan’ny Tafika Malagasy ny fanamafisana ny fandriampahalemana na dia eo aza ny ady amin’ny Covid-19.
Niainga omaly teny amin’ny 1RTS Fiadanana ireo miaramila hanolo ireo miaramila nahavita ny iraka any amin’ireo ZRPS sy ZMPI manerana ny Nosy. Voakasika amin’izany ny Faritra Maevatanana, Bongolava, Melaky, Miandrivazo, Ikalamavony, Toliara ary ny Faritra Atsimo Antsinanana. Nitso-drano sy nanome torolalana azy ireo ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika, ny Jeneraly Rabenaivoarivelo Jean Claude amin’ny asa sy andraikitra goavana izay miandry azy ireo. Hiaro ny vahoaka sy ny fananany moa no tena antom-pisian’izy ireo ankoatra ny famongorana ireo mpanolana sy tontalely ary mpisoloky.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.