Notontosaina ny sabotsy 23 oktobra teo teny Ivato ny lanonana ara-miaramila, fanolorana mari-pahaizana ho an'ireo miaramila sivy mirahalahy rehefa avy nanaraka fiofanana "
Brevet Elémentaire Vecteur" nandritra ny herintaona mahery, teo anivon'ny Ivontoerana Fampiofanan'ny Tafika Anabakabaka ao Ivato na CFI. Misalotra ny laharam-boninahitra "Aviateur de 1°classe", "Aviateur de 2°classe" ary "Soldat de 2°classe" izy ireo. Marihana fa ity fiofanana ity dia misokatra ho an'ny miaramila amin'ny vondron-tafika rehetra izay maniry ny hisehatra eo amin'ny fikirakirana ara-teknika ireo fiaramanidina an'ny Tafika Anabakabaka.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.