New York ary Johannesburg no notsidihana, ary tao amin’ny foiben’ny firenena mikambana ao New York no nizarana ny maripahaizana ho an’ireo 60 mianadahy nahavita ny fianarany tamin’ity indray mitoraka ity. Ny minisitry ny fiarovam-pirenena moa no mpianatra mendrika indrindra tamin’ity andiany faha-10 ity raha toa ka ny filoham-pirenena no ray mpiahy azy.
Tsy misy azo antenaina amin’ny AGOA, hoy Andrianjaka Rajaonah , mpitarika ny Otrikafo ary tsy tokony handany andro amin’ny famerenana azy io ny filoham-pirenena fa kosa mitady ny fomba hahamaro ny asa eto Madagasikara.
Tra-tehaky ny polisy avy eny amin’ny Commissariat central Tanjombato omaly Rasolo, izay mpisoloky ary milaza fa manana merkiora amidy. Nisy ny olona efa nahazoany vola 2 tapitrisa ariary. Rehefa nosokafana ilay tavoahangy nambara fa misy ny merkiora dia fasika sy bolongam-bato no tao izay nofonosina sachet mainty. Hatolotra ny fampanoavana anio talata 5 aogositra ity lehilahy mpisoloky ity.
Nanomboka omaly alatsinainy ny fanoratana sy fikajiana ny naotin’ireo mpanala ny fanadinana BEPC manerana ny nosy. Tokony ho vita rahampitso alarobia ny asa ary andrasana amin’ny faran’ity herinandro ity ny fivoahan’ny voka-panadinana.
Nisy taksibe nandona andrinjiron’ny jirama tetsy Namontana akaikin’ny CsbII ny sabotsy maraina tokony ho tamin’ny 5 ora. Mafy ny fandonana ka nianjera tamin’ny tany mihitsy ilay andry izay vita amin’ny beton. Mpanampy ny mpamily saika haka ny mpamiliny ilay niharan-doza. Niteraka fitohanana ilay izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.