Tafapetraka ny PDS

Feno Ralambomanana


  • Alarobia 22 Aprily 2026

Fanamby ny hanova an’Antananarivo ho madio sy mandroso…

Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy ho Filohan’ny Delegasiona manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra na PDS i Feno Ralambomanana, niaraka tamin’ireo lefitra roa. Naneho ny fahavononany hitondra fanavaozana izy sy ny ekipany, ka ny tanjona lehibe dia ny hanova ny endrik’i Antananarivo ho tanàna madio, voalamina ary mandroso. Notsindriany fa tsy azo ekena intsony ny gaboraraka sy ny tsy fanarahan-dalàna, ary ny asa rehetra dia hatao ao anatin’ny fanajana ny lalàna na dia eo aza ny tsy fisian’ny filankevitry ny tanàna. Anisan’ny laharam-pahamehana napetrany ny fanadiovana sy ny fanarenana ny lalana simba, izay ahitana lavaka maro, ary ny fitantanana ny fako izay mihanaka manerana ny renivohitra. Nohamafisiny fa ny fitantana vaovao dia hiorina amin’ny fifampiresahana sy ny fifampidinihana, lavitry ny fomba tsindrihazolena, ary efa misy ny dingana entiny hampihavana sy hanalefahana ny fifandirana nateraky ny fanendrena azy. Naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny PDS vaovao ny mpiasa maro tao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Tonga nanome voninahitra azy ny mpikambana maromaro avy ao anatin’ny governemanta, tahaka izany ihany koa ireo mpikatroka TIM, ka isan’ny tazana ny Ben’ny tanànan’Antananarivo teo aloha Lalao Ravalomanana sy ny zanany faralahy. Ny hafatra lehibe nentin’i Feno Ralambomanana dia ny antso ho amin’ny firaisankina sy ny andraikitra iombonana, satria ny fanamby hanova ny renivohitra ho madio, voalamina ary mandroso dia mitaky ny fandraisan’anjaran’ny rehetra sy ny fanajana ny fitsipika iombonana. Na izany aza, tsy mora ny miandry azy !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fampiofanana hanamory
  • Alarobia 22 Aprily 2026

fiaramanidina Nanenjana ny ACM, naato ny

  • FILOHAN'NY SMKAR
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Avelao aloha hiasa ny PDS

  • Niteny ny Lehiben’ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Franc-maçonnerie GODF

  • Toe-draharaha
  • Alarobia 22 Aprily 2026

politika mafana

  • Fampandrosoana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

sakanan’ireo mafia Voaporofo tamina firenena

  • Fanarenana an'i Toamasina
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tohana 12 miliara Ar voazara,

Hijery ny tohiny
FTT