Tafakatra 30 ny namoy ny ainy noho ny raharaha Ambohimalaza.
Tovavavy iray antsoina hoe Nombana vao 17 taona monja indray no namoy ny ainy omaly, raha toa ka efa maty ihany koa ny zokiny iray. Tsy misy resaka hatreto ny fangatahana samihafa amin’ny Fanjakana ny tokony hanaovana EVASAN (Evacuation Sanitaire) an’ireo marary mbola miady mafy. Any serasera ilazana fa fanapoizinana niniana natao fa tsy « botulisme » no mahaseriny ny Fanjakana. Ny Dr Manuella Nivoarisoa Vololoniaina Talen'ny Fanaraha-maso ara-pahasalamana sy ny valanaretina, avy amin’ny Ministeran’ny Fahasalamana indray no niresaka tamin’ny TV5 Monde, izay niteraka resabe. Hoy izy, rehefa nanontaniana momba ilay poizina: “Tsy ananako ny anarany... nefa raha poizina izy dia poizina, dia aoka izay ». « Tsy tiako ho fantatra akory hoe poizina inona, fa rehefa fanapoizinana, dia fanapoizinana.”, hoy izy hendratrendratra be ihany. Mbola nampiany fa “Tsy mbola nisy nahita poizina "botulisme" tao amin’ny pâtisserie. Ka inona moa no ilàna fikarohana amin’izay tsy hita?”. Ny donut no voalaza ho nampiahiahy kanefa tena nihinanana an'io daholo ve ny rehetra narary sy maty fa toa tsy tena izay? Toa manamaivana tanteraka ny zava-misy, toa lasa firesaka mirefarefa, kanefa ain'olona 30 be izao nafoy, misy mbola miady amin'ny fahafatesana, misy fianakaviana namoy havana,... Tompon'andraikitra ara-panjakana misolo tena ny rafitra ara-pahasalamana sy ny Fanjakana no miteny an'izany. Nanao setriny manan-danja i Dr Manitra Rakotoarivony manoloana an'io hoe: “Aza arefarefa amin’ny tany ny sehatra misy antsika reto a! Mba olona nianatra ihany isika.” Nampahatsiahy izy fa ny "communication d'urgence" dia tokony: miantefa mazava sy mahitsy, tsotra mora raisina; Mandray andraikitra amin’ny fanamaivanana tebiteby sy ahiahy,... "Miaro ny hasin’ny Ministera misy anao amin’ny fanomezana vaovao marina sy izay tena nisy. Tsy tokony hahenoana hafatra manamaivana na manilika andraikitra tompoko fa fanazavana matotra sy fanamby hotanterahana no aroso. Raha misy na nisy "lavaka" amin’ny rafitra, dia anjarantsika no mitondra fanazavana sy vahaolana, fa tsy fanilihana sy tsy firaharahiana no harangaranga.", hoy hoy io mpitsabo fanta-daza niavaka tamin'ny fitondram-baovao ho an'ny vahoaka tamin'ny andron'ny coronavirus io. Nasiany teny manokana hoe: "mpanao gazety dia vavahady fankam-baovao itokisan'ny vahoaka, aoka tsy hanary azy isika". Naneho fa mahatsiaro menatra moa ny tenany.
TENA MITOMBINA VE ?
Misy ny mametra-panontaniana hoe: Ahoana no ahafahana milaza hoe tsy botulisme ilay nitranga, nefa tsy natao akory ny fanadihadiana analyse mikasika ny botilisme ? Aiza ny lojika ao anatiny? Ireo mpitsabo nampitenenina ve na mety nitondra fanazavana ara-tsiantifika aza tena nitondra porofo maharesy lahatra sa niezaka naneho sy nanizingizina fotsiny fa tsy "botulisme" no niseho? Tena afaka manaporofo ny Fanjakana fa tena zavatra tsy misy hitovizany ny teto Antananarivo namoizana ain'olona 30? Ny tany Ambositra namoizana ain'olona 18? Ny tany Mahajanga namoizana ain'olona 3? Samy donut nisy poizina niniana natao daholo izany ireny?
TENA HIVOAKA VE NY MARINA?
Miakatra ny feon’ny fianakaviana, miharihary ny alahelo, saingy tsapa ny valy boraingina sy fanamaivanana avy amin'ny Minisiteran'ny fahasalamana. Namoizana ain’olona 29, saingy manjavozavo ny raharaha. Nametraka fitoriana tao amin’ny Tribonaly Anosy ireo fianakaviana tra-doza. Nanatona fitsarana, manantena valiny sy fahamarinana. Ny Tonia mpampanoa lalana Procureure Narindra Navalona Rakotoniaina naneho fa atao ampahibemaso ny fitsarana, ho fanomezana lanja ny fahamarinana sy mangarahara. Fa ho hita tokoa ve ny marina? Maro ny fianakaviana sy olom-pirenena no mitaky mangarahara sy fandraisana andraikitra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.