Misedra olana tanteraka efa fotoana maromaro izao ireo mponina ao amin’ny fokontany Antaninandro, Boriborintany fahatelo eto Antananarivo.
Misy “studio” iray miorina ambony rihana manakorontana ny mpiray vodirindrina ao amin’ity fokontany ity ka tsy mampandry ny isan-tokantrano andro aman’alina. Mamoaka feo mitabataba be izy io, araka ny fitarainan’ny mponina manomboka ny andro alatsinainy ka hatramin’ny sabotsy. Nisy ny fifampiresahana nifanaovana renim-pianakaviana iray mponina tamin’ny tompon’ity “studio” ity izay zary nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro ny filaminana mihitsy taty aoriana noho ny tsy fisian’ny fandraisan’andraikitra nataon’itsy voalohany. Tsy nahoany akory mantsy ny fitarainan’ny mponina isan’andro raha araka ny tatitra fa ny nataony ihany no hataony. Nisy ny fidinana ifotony notanterahin’ny sefom-pokontanin’Antaninandro tao amin’ilay tanàna misy ilay studio nanamarina ny tena zava-misy iainan’ny mponina isan’andro. Voaporofo tokoa fa tena manakorontana fiaraha-monina isan’andro ity studio izay fantatra fa tsy manara-penitra tokoa ary rehefa tonga teny anivon’ny pôlisy ny raharaha dia fantatra ihany koa fa tsy nahazo alalana hisokatra akory izy io izany hoe : tsy ara-dalàna. Andrasan’ny mponina ny fandraisan’andraikitry ny Boriborintany fahatelo sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra manoloana ity zava-misy ao Antaninandro ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.