Actualités

STK FJKM Vakinankaratra Nankalaza ny ivon’ny faha-40 taona nijoroany


  • Alakamisy 19 Jona 2014

Nankalazaina tao Antsirabe ny faran’ny herinadro teo ny ivon’ny faha-40 taona niorenan’ny STK FJKM niraisan’ireo tanora avy amin’ny Synodam-paritany Andrefana-Atsimon’Ankaratra miaradia.

Nambaran’Atoa Andriambololona Solomampionona filohan’ny STK Antsirabe fa taty Antananarivo no nanokafana ny fankalazana nasionaly ny 30 martsa teo, ka anjaran’ny Synodam-paritany rehetra kosa ny manao ny fankalazana ny ivony toy izao, izay nifanindran-dalana tamin’ny isan-kerintaonan’ny tanora STK tao amin’ny Synodam-paritany izany. Tonga tao Antsirabe nanome voninahitra ity hetsika ity ny filoha nasionalin’ny STK Foibe, Rajaonarivelo Onifinaritra ka nambarany fa ezaka amin’izao fankalazana izao ny Tsangambato dia ny fananganana ny foiben’ny STK Nasionaly ao Antananarivo mba hananan’izy ireo toeram-piofanana maharitra ho an’ireo mpikambana ary eo ihany koa ny fanangonana sy fandrafetana tahirin-kevitra mikasika ireo tanora manerana ny Nosy eo amin’ny sahan’ny fiangonana FJKM ahafahana mijery ny filana sy ny zava-misy any amin’izy ireo tsirairay avy. Nisy moa ny lalao ara-panatanjahantena nataon’ireo tanora marobe ny sabotsy ary ny alahady famaranana dia nisy ny Diabe niainga teo amin’ny FJKM Filadelfia nizotra nankao amin’ny FJKM Antsirabe Fitiavana nanaovana ny fotoam-pivavahana famaranana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT