Actualités

Ste Famille Mahamasina Nitrosona tamin’ny tany ilay scooter sy ny olona nentiny


  • Talata 07 Jolay 2015

Nitrangana lozana moto scooter indray omaly, tetsy Mahamasina nanoloana ny vavahadin’ny sekoly katolika Ste Famille. Tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany antoandro teo,

 

 tamin’ny fotoana efa manomboka mahabe mpianatra mivezivezy miverina hiditra lakilasy hariva no nisehoan’ny loza. Avy any amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina no nirifatra mafy ity scooter nentina tanora mirahalahy ka nandona mpianatra iray andeha hianatra eny akaikin’ny fiangonana St Joseph  eny. Voadona ilay mpianatra nefa tafatsangana ka lasa nandeha nanohy ny diany ihany. Ilay moto kosa tsy voafehin’ilay nitondra azy intsony ny familiana ka nitrosona tamin’ny “goudron” nanitsy teny amin’ny fefin’ny zaridaina ary tsy tafajanona raha tsy tany amin’ny 10 metatra. Tafapitika ilay nitaingina tao aoriana ka naratra ny tavany. Nahitana fahasimbana betsaka koa ilay moto. Nobatain’Ilay namany  mpamily izay tafavoaka tsy naninona niaraka tamin’ny zatovo iray tsara sitrapo ity naratra  ka nentina haingana teny amin’ny hopitaly.  Efa im-betsaka ny olona no mitaintaina amin’ny fandehan’ny fiara sy moto eo amin’ity toerana ity ka mahatonga hatrany ny vinavinan’ny rehetra ho tokony hasiana “casseur de vitesse” hisorohana ny loza eo amin’io toerana io tahaka ny lalana akaiky fianarana rehetra.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT