STAR TOUR TANA TAONA 2025

Mpitsidika maherin’ny 40.000 no namaly ny antso


  • Talata 24 Jona 2025

Ny 20 ka hatramin’ny 22 Jona teo no notanterahina teny amin’ny Coliseum Antsonjombe

ny STAR TOUR TANA taona 2025. Mpitsidika manodidina ny 40.000 no tonga namaly ny antso nandritra ireo telo andro ireo, nankalaza ny mozika sy nifaly niaraka tamin’ireo zava-pisotro STAR rehetra, indrindra fa ny vokatra manokana sy mandalo dia ny labieran’ny fahaleovantena. Nanafana ny sehatra ireo mpanankanto malaza maro toa an’i Skaiz, Ambondrona, Lion Hill, Samoela, Tsota, Basta Lion ary Ljo, izay samy nampiseho ny mahamatihanina azy ireo avokoa.I Fou Hehy, Barhone, Teg, DJ Three T, DJ Looping ary RAERZ kosa no nanentana ny fiarahana. Samy nampiseho ny talenta sy ny angovo nananany izy ireo mba tsy ho fety fotsiny ihany ny STAR TOUR fa tena lanonam-pianakaviana natao ho an’ny daholobe. Ny « espace pression », kermesy, ary ireo toeram-pivarotana rehetra ihany koa dia nanome fifaliana ho an’ny sokajin-taona rehetra.Ny ezaka nataon’ny mpitandro ny filaminana, ny mpiambina sivily sy mpanadio rehetra koa dia nahafahana nikatsaka ny filaminana sy ny fahadiovana nandritra ireo telo andro ireo nisorohana ny loza rehetra. Nampiavaka ity andiany ity moa raha tsiahivina ny fanentanana manokana natao tamin’ireo vata Kopakelatra, izay fanangonana tavoahangy plastika. Aman’arivony ireo tavoahangy voaangona nandritra izany izay hodiovina sy havadika ho vokatra hafa.
Pati
Legende : Vahoaka tsy toko tsy forohana tahaka izao no namaly ny antso !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT