STAR TAO MAHAJANGA

Sady nampifaly ny vahoaka no nanadio sy nanampy ny Reny tera-bao


  • Alarobia 20 Aogositra 2025

Feno tanteraka ny hetsika nataon’ny orinasa Star tao Mahajanga ny herinandro lasa teo.

Ankoatra ny Star Tour izay naharitra 4 andro nentina nampifaliana ny vahoaka mantsy dia nanatanteraka hetsika fanohanana ny Reny sy ny zaza koa izy ireo, narahin’ny fanangonana ireo tavoahangy plastika nanerana ny tanana. Tamin’ny alalan’ny fandraisan’andraikitra ara-piarahamonina (RSE) no nanatontosan’ny orinasa izany izay mampiseho fa vonona hifanome tanana ho amin’ny fampandrosoana lovain-jafy sy ho an’ny fampivoarana ny fiaraha-monina izy ireo. Ho an’ny Reny sy ny zaza manokana dia fitaovana fikarakarana (Kit de naissance) sy rano Eau Vive ho an’ireo tera-bao tao amin’ny Clinique sy Maternité Fanantenana no natolotr’izy ireo ny 13 Aogositra teo. Nitohy tamin’ny ady natao tamin’ny loto izany ny datin’ny 14 ka hatramin’ny 18 Aogositra lasa teo. Nisy ny fanangonana ireo tavoahangy plastika efa niasa teny Tsararano sy Antanimasaja, ary teny amin’ny sisin-dranomasin’ny Maroala. Toraka izany koa ny teny amin’ny Petite Plage ary Grand Pavois tamin’ny alalan’ny tetikasa Kopakelatra. Nisy ihany koa ny fametrahana vata fanangonana tavoahangy plastika Kopakelatra izay naparitaka teny amin’ny toerana nanaovana ny Star Tour. Vokatr’izany dia maherin’ny 2.600 kilao ny fako plastika voahangona tao anatin’ny 5 andro, izay ho avadika pavés autobloquants, « pot » am-boninkazo, biriky, na ihany koa kifafa. Olana lehibe amin’ny fiarovana ny morontsiraky ny Faritra ny loto plastika ka izany indrindra no antom-pisian’ireo fanentanana sy hetsika isan-karazany ireo. Efa nisy ihany koa ny fifampidinihana tamin’ny tompon’andraikitra, ho fanatanterahana ny programa fanabeazana ny olom-pirenena ao amin’ny Faritra Boeny.
Pati
Legende : Nahazo tombony tahaka izao ny Reny sy ny zaza !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT