Samy nanao filaharana naneho ny fitakiana nitety toerana maro ny sendika samihafa omaly ;
nentina nanamarika ity andro ity nialohan'ny nivondronana tetsy Tsaramasay, toerana niraisan’ny rehetra. Nizotra tao anatin’ny filaminana ny fanamarihana ny 1 mey, andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny mpiasa teto an-dRenivohitra na teo aza ny ramatahora samihafa nataon’ny mpitondra. Nifamotoana teny Antanimenabe Ankazomanga ny fianakaviamben’ny mpiasa malagasy taorian’ny filaharambe nataon’ny sendika tsirairay. Anisan’ny fitakian’ny mpiasa nisongadina ny fampiakarana 30% farahafakeliny ny karama. Nisongadina tao anatin’ny kabary samihafa ihany koa anefa ny namakian-dRamanambola Herizo Andrianavalona, filohan’ny SSM (Solidarité Syndicale de Madagascar) fa tokony hakarina 100 euros ny karama farany ambany. Eo amin’ny 500 000Ar eo io raha ny lanjan’ny ariary manoloana ny vola euro. "Voalaza fa efa faly ny tantsaha rehefa mahazo 100 Euros, araka ny tenin’ny Filoham-pirenena, saingy ny mpiasa malagasy kosa mbola eo amin’ny 50 Euros ny karama farany ambany raisiny (...) Mangataka izahay ny mba hampiakarana ny karama ho 100 Euros fara fahakeliny mba hahasambatra ny mpiasa malagasy.” hoy ny filohan’ny SSM. Notsiandriany fa fanapahan-kevitra maika tokony horaisina izy sy tena ilaina izany mba hahafahan’ny mpiasa miatrika ny fiakaran’ny vidim-piainana ankehitriny. Ny FISEMARE (Firaisan’ny Senkialy Revolisionera Malagasy) aza dia mitaky mari-karama farany ambany ho 1 tapitrisa Ar mihitsy. Tamin’ny volana Martsa 2024, izany hoe herintaona lasa eo no nisy ny fiakarana 10% nankatoavin’ny Fanjakana, ka nampiakana ny karama farany ambany amin’ny sehatra tsy fambolena ho 262 680 ariary, ary ho 266 500 ariary amin’ny sehatra fambolena. Tsy misy lanjany io manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana izay tsy mitsahatra miakatra andro aman’alina. Mbola ambanin’ny 2,15 dolara na 10 000Ar isan’andro isan’andro isan’olona eo famaritana fa mbola anaty fahantrana raha latsak’io ny karama farany ambany ho an’ny Malagasy, kanefa mbola betsaka no mikarama ambany lavitra noho io eto amintsika. Tsy mbola kajiana aza amin’izany ny hoe : raha mamelona ankohonona 4 na 5 ny tokantrano iray dia mety mitsinjara 2000-3000Ar isan’olona isan’andro. Izany ve ilay mahasambatra ? Izany ve ilay hoe : mahantra fa faly ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.