Noraisin’ny Minisitry ny varotra sy fanjifana Malagasy Rafidimanana Narson teny amin’ny biraony Ambohidahy ny kaonsila malagasy any Sri lanka Atoa Mahipala ny alarobia 25 jona lasa teo. Noresahan’ny 2 tonta ny fomba rehetra ampitomboana ny fanondranantsika entana any amin’ity firenena karana ity
Eo koa ny fiarovana ny fidiram-bola sy fampiasam-bola amin’ny alalan’ny fametrahana foto-dalàna ifanarahana. Noresahana koa ny fahatratrarana ireo andramena avy aty Madagasikara tao amin’ny seranan-tsambon’i Colombo sy ny fampodiana azy ireo. Ankoatra izay dia nitondra ny hetahetan’ny mpandraharaha Sri lankais izay vonona hampiasa vola amin’ny sehatry ny harena ankibon’ny tany sy amin’ny fitrandrahana ala koa i Mahipala.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.